"Je voudrais annoncer l'évangile dans les cinq parties du monde et jusque dans les îles les plus reculées" (Ste Thérèse de l'Enfant Jésus)
Samedi 5 octobre 2024

Eglise catholique à Madagascar

Site officiel de la Conférence Episcopale de Madagascar

Première AG de la Commission Episcopale Justice et Paix


Par P. Sata Jean Noel ANDRIANASOLO, Secrétaire Général

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena,

Ho an'ny vahoaka malagasy sy ireo olona tsara sitra-po.

Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo !

Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny Fahamarinana sy Fiadanana (Justice et Paix) eto Madagasikara. Tamin'ity taona 2022 ity dia notanterahina tamin'ny 15 marsa ka hatramin'ny 18 marsa ny fihaonana voalohany teto Antanimena – Antananarivo. 

Izahay 52 mianadahy, eveka, pretra sy lahika, solontenan'ny Justice et Paix avy amin'ny Diosezy rehetra eto Madagasikara, no nanatanteraka ity fivoriana ara-potoana ity. Eto izahay dia mitondra fampiononana ho an'ireo fianakaviana nanana havana nindaosin'ny fahafatesana vokatry ny Rivodoza ary miombona tanteraka amin'ireo rehetra traboina vokatr'izany fa manameloka kosa an'izay rehetra nanararaotra izany zavatra izany mba hitadiavana tombontsoa manokana. Ary misaotra ireo rehetra nanampy tamin'ny lafiny sy sehatra rehetra ireo havana malagasy traboina ireo, araka ny Hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, manentana antsika hanome fanampiana ho an'ireo traboina tamin'ny fandalovan'ny rivodoza (18 febroary 2022) sy hafatry ny Papa Fransoa momba ny Karemy 2022, izay manolotra ny teny voalazan'i Masindahy Paoly manao hoe : «Aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa, fa hijinja amin'ny fotoana isika raha tsy ketraka. Koa dieny izao mbola manana andro isika, manaova soa amin'ny olona rehetra» Gal 6, 9-10a.

Tamin'izany no nitondran'i Monsenera Marc Benjamin RAMAROSON, eveka mpiahy ny Vaomieran'ny « Justice et Paix », arsevekan'ny Diosezy Antsiranana, ny fampianarana niainga avy amin'ny taratasy Ansiklikan'ny Papa Fransoa « Fratelli tutti » (Mpiray tampo daholo isika) sady nahafahanay ihany koa nifampizara vaovao sy namakafaka ny fiainan'ny Malagasy amin'izao fotoana izao manerana ny Nosy. Ka ireto no nisongadina indrindra tamin'ny alàlan'ny tatitr'ireo solontena :

1. RAFITRA MANGEJA SY MANAPOTIKA

Ny rafitra dia fomba na sehatra iainana eo anivon'ny fiarahamonina ka mamaritra ny fiainan'ny firenena iray, na vondron'olona… Azo lazaina fa misy rafitra mangeja satria tsy mitondra amin'ny tena fivelarana nefa heverin'ny maro fa « normaly » satria mahazatra. Ny atao hoe « normaly » mantsy dia izay manaraka ny fenitra, izany hoe mifanaraka amin'ny maha olona. Ny mifanohitra amin'izany anefa no hitantsika satria manapotika ny maha olona :

1.1.Tontolo iainana  potika : fandoroana tanety, fanimbana ala, famonoana biby amin'ny faritra arovana… Ireo rehetra ireo dia mitondra ny fahapotehan'ny tontolo iainana. Toy ny mandrora mitsilany isika mandrava ny trano iombonana : mikorontana tanteraka ny toetr'andro ka mitarika fahapotehina maro.

1.2.Fiaraha-monina rava : Halatr'omby, fandratràna sy vonoan'olona, fitsaram-bahoaka, vaky trano, takalon'aina, fanakanan-dalana amin'ny fitaterana, hala-bokatra, hala-botry, vaky fasana sy halatra taolam-paty, fanolanana zaza tsy ampy taona sy ny vehivavy, fanondranana olona any ivelany, hala-jaza, fihanaky ny zava-mahadomelina, fanafihana mitam-piadiana, kolikoly avo lenta mihatra aman'aina, fandravana fananana sy fibodoana tanin'olona, sinto-mahery, fandoroana tanàna, fanafihana narahina habibiana sns…

1.3.Fifandraisana amin'Andriamanitra manjavozavo : Fanenjehana Eglizy ataon'ny sasany, fandoroana Baiboly, fangalarana Lakolosy, fanenjehana mpitondra fivavahana. Fanaratsiana finoana, fangalarana fitaovam-piangonana isan-karazany, fanapotehana tranom-piangonana… 

Ankoatr'ireo dia :
1.4.Tsy voafehy mihitsy ny fiarovana ny aina sy ny fananan'ny olona. Mihamaro ny tambajotra efa matihanina amin'ny fanaovan-dratsy izay fehezin'ny dahalo ambony latabatra sy ny mpanam-bola sasany avy eto an-toerana sy avy any ivelany.

1.5.Manjavozavo ny hoavy, satria ny tany natao ho fototry ny fivelomana no lasa fototry ny fifanolanana ary ny vitsy an'isa sy ny mpanambola na vahiny na ny manam-pahefana sasany no tena manjaka amin'izany.

1.6.Manampy trotraka an'ireo ny tsy fanajana ny rariny sy ny hitsiny, indrindra eo amin'ny sehatra maro. Hita etsy sy eroa ny tsindry hazolena sy ny fanaovana tsindrio fa lavo, ny kely tsy mba mamindro.

1.7.Manampy trotraka ny haitany, ny hanohanana, ny rivodoza izay nitondra fanapotehana zavatra maro : trano , fotodrafitrasa, lalana…izay vokatry ny fahasimban'ny tontolo iainana nataon-dRaolombelona ihany.

1.8. Fitrandrahana sy fanondranana ny harem-pirenena tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny. Atao  toy ny tantely afa-drakotra ifambaboan'izao adala sy hendry rehetra izao izany harena izany.

2. RAFITRA MIKOLOKOLO FIOMBONANA SY AINA
Tandremo ary sao diso ady atrehina isika satria misy ny fanamby lehibe tsy maintsy atrehintsika dia ny hanorina rafitra hahafahan'ny rehetra mivelatra, hikolokoloana fiombonana sy ny aina. Eo anatrehan'ireo zava-misy ireo, dia manao antso avo aminareo tompon'andraikitra ambony eto amin'ny tany sy ny Fanjakana ary ny vahoaka rehetra izahay ato amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana ka manolotra soso-kevitra vitsivitsy ary fantatra fa tsy ho ary voalaza daholo ny zavatra rehetra.

2.1. Ilaina ny hanaovana latabatra boribory anasàna ny ankolafin'olona rehetra mba hahafahan'ireo tompon'andraikitra mifampihaino sy mihaino ny hetahetan'ny vahoaka. Fifanakalozan-kevitra momba ireo olana sedraina ankehitriny mba hikarakaràna vahaolona maharitra, fa izay no heverinay fa lalana hahafahana misoroka ny savorovoro mety ho lasa pitik'afo hampirehitra ny vanja. Izany latabatra boribory izany dia atao isaky ny ambaratonga rehetra : manomboka any amin'ny Fokontany ka hatrany amin'ny faratampony.

2.2. Volena amin'ny seha-panabeazana rehetra (fianakaviana, sekoly,  fikambanana ary fiaraha-monina) ny fanajana ny soa iombonana ka hahatonga ny rehetra hahafoy ho an'ny firenena, handresena ny toe-tsaina mitodika mandrakariva amin'ny fitiavan-tena sy ny fihaviana.

2.3. Ny Papa Fransoa ao amin'ny Ansiklika « Fratelli tutti » dia milaza mazava fa ny politika tsara indrindra dia ny fahafoizana sy ny fanompoana. Io no lalana mitondra fivelaran'ny maha olona, maha olona manontolo sy ny olon-drehetra ary mitondra amin'ny fanjakana tsara tantana ka iadiana amin'ny fitsitokotokoana sy ny toe-tsaina manavakavaka eo amin'ny asa fanompoana.

2.4. Asiana lanjany sy hasiny ny tontolo iainana satria asan'Andriamanitra io. Ny krizin'ny  fiainantsika  ankehitriny dia taratry ny fiainantsika anaty karakaina tsy misy fanahy. Mila fibebahana sy fiovam-penitra mahery vaika ny fifandraisantsika amin'ny tontolo iainana sy ny zavaboary. (cf-Laudato si n°217). Asehoy  an'asa izany fibebahana takina amin'ny tsirairay  sy amin'ny besinimaro izany.

3. RAFITRA MIFANKAHERY SY MITONDRA FANANTENANA
3.1. Na izany aza anefa dia misy mandrakariva ny fanantenana satria ao ireo olona tena manao tsara ny andraikiny sy ny asany na mpitondra fanjakana, na vondron'olona, na olon-tsotra na iza na iza. Mankasitraka anareo amin'ny ezaka rehetra ataonareo satria manao ny ainareo tsy ho zavatra tokoa ianareo amin'ny fitandroana ny aina sy ny fihavanana. Amporisihana hatrany ianareo rehetra amin'ny fanaovan-tsoa tsy mila tambiny.

3.2. Manentana antsika rehetra araka ny fampianaran'ny eveka mpiahy ny Vaomieran'ny Justice et Paix, mba hanesotra sy handà ireo zavatra rehetra mety hanimba ny taranak'olombelona sy ny fiarahamonina ary hampijoro kosa ny rafi-pivelomana aroson'ny Eglizy, dia ny kolontsain'ny fifanakalozan-kevitra, ny fandeferana, fihavanana ary fifamelan-keloka sy ny famindram-po, araka ny tenin'ny Papa Fransoa manao hoe : « Sokafy ny masontsika hahita ny fahoriana eo amin'izao tontolo izao, sy ny ratra mahazo ireo havana maro tsy omen-kasina, ary aoka isika hahatsiaro fa voaantso hihaino ny hiakan'ireo miantso vonjy. Aoka ny tanantsika hifamihina amin'ny tànany, ary hitarika azy ireo hanatona antsika, mba handrenesany hafanana noho isika eo anilany, noho ny fifankatiavana sy ny firahalahiana atolotra azy. Aoka ny antsoantsony no ho antsoantsontsika koa, dia hiaraka isika handrodana ny rindrin'ny tsy firaharahana, izay mazana manjakazaka tsy refesi-mandidy mba hanafenana ny fihatsaram-belatsihy sy ny fitiavan-tena » (Ny endriky ny famindram-po, 15).

3.3. Koa mankahery antsika sy ireo olona tsara sitra-po rehetra amin'ny ezaka atao mba hampijoro sy hampanjaka ny fahamarinana sy ny fiadanana izahay ato amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny « Justice et Paix » ary mitondra am-bavaka ny firenena sy ireo mpitondra ary ny vahoaka mba ho afaka hanao dingana mankany amin'ny fampanjakana ny rariny, ny fandriam-pahalemana ary ny fanajàna ny zon'olombelona isika rehetra.

3.4. Dia mirary Paka hitondra fiadanana, hasambarana, hafaliana, fahombiazana ho antsika rehetra. Masina Maria mpanjakavavin'ny Fiadanana, mpiaro an'i Madagasikara anie hitari-dalana sy hitalaho ny famindram-pon'Andriamanitra ho antsika.

Antananarivo, 19 marsa 2022. Fetin'i Masindahy Josefa.

Amin'ny anaran'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fandriampahalemana (Justice et Paix)
Monseigneur Marc Benjamin RAMAROSON, Président de la Commission Épiscopale Justice et Paix.

P. Sata Jean Noel ANDRIANASOLO, Secrétaire Général.