Qui s’élèvera sera abaissé, qui s’abaissera sera élevé. (Mt 23, 12)
Jeudi 25 avril 2024

Eglise catholique à Madagascar

Site officiel de la Conférence Episcopale de Madagascar

Fantaro ny Sinaody


Par R.P. HERIVONJILALAINA Orthasie Marcellin

Ao anatin'ny fampahafantarana sy fanentanana momba ny sinaody ho an'ny Eglizy miara-dia dia misy fandraisan'anjaran'ny Vaomieran'ny Eveka ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, miaraka amin'ny Ekipa nasionalin'ny Sinaody.

Mitondra ny anjara birikiny amin'izany ireo Haino Vaky Jery katolika eto amintsika. Ka ity resadresaka - fanadihadiana ity dia nataon'ny Gazety Lakroan'i Madagasikara. Niarahana tamin'i Mompera HERIVONJILALAINA Orthasie Marcellin, Recteur-n'ny Grand Séminaire Saint Jean Marie Vianney Moramanga - Docteur en théologie, nanoratra ny boky: "Synodalité du et dans le Peuple de Dieu aujourd'hui. Conscience, spiritualité et praxis dans l'Eglise Famille et Fihavanana à Madagascar". Mpikambana ao amin'ny Epika nasionaly mpanomana ny Sinaody

Fanontaniana napetrak'i R.P. Ratovomananarivo Prospère sy Razafimamonjy Noro Hanitra

Azonao ampahatsiahivina eto ve hoe maninona no mampiantso Sinaody ny Papa?

Ny teny sinaody, avy amin'ny teny grika "sun", midika hoe "miaraka" sy "hodos", "lalana/dia, dia azo adika hoe "Miara-dia" na hoe "lalana iaraha-manao". Teo amin'ny tantaran'ny Eglizy dia nentina nilazana ny fihaonam-be sy ny fivoriambe izy. Raha eo amin'ny sehatra diosezy dia ny eveka no miantso ny Sinaody diosezanina sy mananteraka azy miaraka amin'ny solontenan'ny vahoakan'Andriamanitra ao aminy. Raha eo amin'ny Eglizy manerantany indray kosa dia ny papa no miantso ny Sinaodin'ny eveka sy mananteraka azy miaraka amin'ireo solontenan'ny eveka. Mampiantso Sinaody ny papa satria sady te hiara-dia amin'ny Vahoakan'Andriamanitra tsivakivolo no te hampiara-dia azy ireo ihany koa. Ny fiantsoana Sinaodin'ny eveka, dia fanohizana ny fiarahan-dia (synodalité) natomboka tamin'ny Konsily Vatikanina faha 2. Ny papa Paoly faha-6 no nanangana azy taoriana kelin'ny nifaranan'ny Konsily.

Inona no votoatin'ny fampiantsoana an'ity Sinaody ho an'ny Eglizy miara-dia ity ?

Ny lohahevitra dinihina amin'izao Sinaody izao dia ny hoe: "Mba ho Eglizy miara-dia: fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana". Niantso io Sinaody io sy handalina io lohahevitra io ny papa noho fahatsapany ny loza mahazo ny eran-tany, tahaka ny valanaretina Covid-19, izay niteraka fahatongavan-tsaina fa ankohonana miara-miondrana ao anaty lakana iray izao tontolo izao, ka ny voina mahavoa ny iray dia mahatratra ny rehetra. Tsaroantsika hoy izy ao amin'ny Ansiklika Fratelli tutti - Mpiray tampo avokoa lah.32 -, fa tsy misy afa-mamonjy tena samirery, fa tsy maintsy miaraka ihany. Miaraka amin'izay dia toa mirongatra izay tsy izy ny tsy fitoviana sy ny tsy rariny; mihamahazo laka ny fiheverana ny tsirairay ho isan'ny sarambabem-bahoaka fotsiny ary voazarazara ny taranak'olombelona; ny toe-javatra mampivarahontsana iainan'ireo mpitsoa-ponenana amin'ny faritra rehetra amin'izao tontolo izao; ny halalin'ny fizarazarana manenika sy mandrotika ny taranak'olombelona.