Qui s’élèvera sera abaissé, qui s’abaissera sera élevé. (Mt 23, 12)
Vendredi 26 avril 2024

Eglise catholique à Madagascar

Site officiel de la Conférence Episcopale de Madagascar

Hymne des JMJ Mada X


Lien youtube

Mitsangana ho vavolombelon'izany zavatra hitanao zany e!»
Mandehana torio amin'ny fiainanao ny Vaovao Mahafaly e

Teny an-dalana ho any Damasy dia izao ny zava niseho
Nisy hazavana nanaitra an'i Saoly ka lavo izy( sy) nandre feo
« Nahoana izato ianao no manenjika ahy toy izao ?
Miarena fa ho sasa-poana, izaho no manendry anao
Fanaka voafidy ho ahy ho vavolombeloko ianao »

Jesoa no miantso maniraka hoe mitsangana ianao
Ataoko ho vavolombelon'ny zavatra izay hitanao
Miarena ka mandehana, izay nataoko andeha ambarao
Dia nanaiky sy niarina izy , nanolotra fo vaovao
Apostolin'ny tanora isika tanora andeha hiroso hatrany
Ankaherezin'ny Eokaristia, mitory ny vaovao mahafaly

Hijoro ho Vavolombelona sy hitondra hazavana satria
Hanentana ny Mpiarabelona hiara dalana amin'i Kristy
Hitory ny fibebahana , sy hanaja ny zava- boahary
Ho fanasina sy ho fanilo, hikatsaka ny ho lavorary
Hitondra ny Lakroa, hanerana ny vazan-tany
Mitsangana mijoroa ry tanora o ! ho vavombelon'izany zavatra hitanao izany, torio ambarao
Entanin'ny Fanahy isika, velomin'ny tenin'Andriamanitra,

Miombona ao amin'ny Eglizy no hamaly izany antso izany
Koa mangataka aminao ry Jesoa , Md Joany Paoly faharoa
Ianareo Olomasina , sy ireo Olon-tsambatra : MIVAVAHA HO ANAY(in2)
I Masina Maria mbola hanampy foana, hiaina ny Fitiavana sy ny Finoana
Papa Fransoa ilay Mpamafy Fiadanana, Fanantenana : fitaratra ho antsika
Matoky hatrany fa eo i Kristy hitantana ny dia
Matoky hatrany mijoro satria Mpianatra sy irak'i Kristy
Jesoa o ! inty aho, Jesoa o ! iraho aho (in2)